Fikambanan’ny mpianatry ny Oniversite

« Tahina Razafinjoelina no mahavita manatsara ny fampianarana eto »


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Fikambanana mpianatra avy amina oniversite miisa telo dia : Toamasina, Fianarantsoa ary Toliara no nisantatra ny

fanambara fanohanana ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina izay atolotry ny firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT). Manan-jo haneho hevitra sy hiaraka amina antoko izay tiany sy maharesy lahatra azy ary hanohana kandida olona tsirairay amin’ny maha olom-pirenena Malagasy azy, hoy ireo mpianatra ireo ary Tahina Razafinjoelina (FTT) no safidinay noho izy Mpampianatra sady mpandraharaha, satria ny mpampianatra irery ihany no tena afaka hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy afaka hanatsara ny tontolon’ny fampianarana. Fa ny tena antony lehibe hanohananay azy, hoy hatrany ireo mpianatry ny oniversite ireto dia ilay vinan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana izay tarihany, Vina hitondra rivo-baovao eto Madagasikara io izay mifototra amin’ny Fanabeazana ny Malagasy hitodika amin’i Madagasikara, Fitsinjaram-bolam-panjakana, Madagasikara nomerika. Rehefa nandinika lalina momba ny ho avinay izahay dia resy lahatra fa Tahina Razafinjoelina irery ihany no manana vina azo tanterahana ka hitsinjo ny tanoraamin’ny resaka fandraharahana, hampivelatra ny tontolon’ny tontolon’ny asa amin’ny alalan’ilay tetikasa goavana Madagasikara nomerika ary hanatsara indrindra indrindra ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara.Ny fianarana no lova tsara indrindra ho an’ny taranaka sy antoky ny fampandrosoana ny firenena.Ny kandida laharana voalohany irery ihany no hitanay fa manana vinan’asa mazava tsara hanome lanja ny fampianarana misy eto Madagasikara, no sady manana vina azo tanterahana hampandrosna ny firenena , hoy ireo mpianatra avy ao amin’ny oniversiten’i Toliara ka mendrika azy noho izany ny toeran’ny Filoham-pirenena. Resy lahatra tanteraka manoloana ny firotsahan’ny kandida laharana voalohany ary hanohana azy sy hiara-dia aminy hatramin’ny farany, hanao ny ezaka rehetra mba hampandaniana azy izahay hoy ny Jeunes Leaders Etudiants de l’Université de Toamasina (JLET) satria hitanay fa tsotra, marina, mahomby tokoa izy. Manentana ny tanora sy mpianara any amin’ny faritra rehetra manerana ny nosy mba hijoro sy ho sahy ka hanao fanambarana manohana an i Tahina Razafinjoelina kosa ny tanora sy mpianatra amin’ny oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ao Fianarantsoa. Ny firaisankina no hery Tsotra, marina,mahomby ho an’ny Tanindrazana, hoy izy ireo.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT