Fampianarana

Fikambanan’ny mpianatra Normaliens Mitaky ny fijerena akaiky ny sehatra fanabeazana


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra normaliens SONOSE/MADA nandritra ny fihaonamben’izy ireo tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha.

 

 

Nanentana ireo olona rehetra nivoaka tamin’io sampam-pianarana io izy ireo hiditra hanatevin-daharana ny fikambanana. Nitodika tamin’ny filoham-pirenena vaovao ihany koa izy ireo ny hamaritra mazava tsara ny anjara toerana manokana ho amin’ireo mpianatra mahavita fianarana ao amin’ny ivontoeram-pampianarana. Tokony hijery akaiky ny sehatra fanabeazana ny olom-pirenena ny filoha, hoy izy ireo satria ny fanabeazana no kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Ilaina ny fandaminana sy ny fijerena ny tombontsoan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary tsy tokony hiverina intsony ireny olana maro niteraka grevy ireny.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT