Fampianarana

Fikambanana ANEFFA Mitaky ny hiverenan’ny rafi-pampianarana teo aloha


  • Talata 06 Aogositra 2019

Manoloana ny resaka mandeha eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mikasika ny tetiandrom-pampianarana 2019 – 2020 dia nanambara tetsy amin’ny EPP

Antanimbarinandriana omaly ny avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpampianatra ANEFFA fa mba ho an’ny tombontsoan’ny fanabeazana malagasy dia aleo ny tetiandro teo aloha ihany no averina hampiharina. Izany hoe oktobra hatramin’ny jolay. Rehefa niainana ity taom-pianarana madiva hifarana ity dia maro ny lesoka tsapa tao anatiny. Ny fiitaran’ny taom-pianarana lava loatra, ohatra, dia nisy fiantraikany ara-psikolojika tamin’ireo mpianatra, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana, Heritiana Rajaonasivony. Nivahavaha ny fifantohan’ireo mpianatra nanomboka taty amin’ny volana jolay. Na ireo hiatrika fanadinam-panjakana aza hita ho nikatso. Ny mpampianatra koa, noho ny taom-pianarana lava loatra dia lasa somary nisy fikorontanana teo amin’ny fandrindrana ny fandaharam-pianarana, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT