Fampianarana

Fikambanana Andrianiko ny tanindrazako “Tsy mahomby ny rafi-pampianarana LMD”


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Tsy mahomby eto Madagasikara ny rafi-pampianarana LMD (Licence Masters Doctorat), izay mitaky fandaniana bebe kokoa kanefa ny ankamaroan’ny tanora Malagasy tsy maharaka ka tsy afaka mamita ny fianarany hatramin’ny farany, raha ny fahitan’ny Fikambanana Andrianiko ny tanindrazako azy.

 Tsy tokony hahamaika ny fanjakana ny fampiharana azy io fa ny mitady rafitra mifanaraka amin’ny fari-piainan’ny Malagasy no himasoana. Talohan’ny nisian’io rafi-pampianarana LMD io teto amin’ny tany sy ny firenena dia betsaka ny olona manana mari-pahaizana toy ny “Licence” sy ny “Maitrise” fa amin’izao ianao raha tsy mahavita hatrany amin’ny Master II tsy misy handray anao eo, hoy Rajoroarisoa Andrianina, filohan’ny Andrianiko ny Tanindrazako. Raha te hamorona asa anefa ny tanora dia olana be ny resaka hetra halaina amin’ny orinasa madinika sy salantsalany, hany ka voafetra ny safidin’ny tanora eto amin’ny firenena. Midika izany fa miakatra ny tahan’ny tsy fananan’asa sy ny fiadangan’ny vidim-piainana satria tsy manana fahefa-mividy intsony ny rehetra rehefa tsy misy ny asa. Raha izahay manokana no anontaniana dia ilay rafitra taloha mbola nisy ny “Maitrise” sy ny “Licence”  no mety kokoa amintsika, hoy ny Fikambanana. Mitotongana tanteraka ny faripahaizan’ny Malagasy hatramin’ny nampidirana ny LMD ary mitombo ny tahan’ny tsy fananan’asa, araka ny fahitan’izy ireo azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT