Tsy mahomby eto Madagasikara ny rafi-pampianarana LMD (Licence Masters Doctorat), izay mitaky fandaniana bebe kokoa kanefa ny ankamaroan’ny tanora Malagasy tsy maharaka ka tsy afaka mamita ny fianarany hatramin’ny farany,
raha ny fahitan’ny Fikambanana Andrianiko ny tanindrazako azy. Tsy tokony hahamaika ny fanjakana ny fampiharana azy io fa ny mitady rafitra mifanaraka amin’ny fari-piainan’ny Malagasy no himasoana. Talohan’ny nisian’io rafi-pampianarana LMD io teto amin’ny tany sy ny firenena dia betsaka ny olona manana mari-pahaizana toy ny “Licence” sy ny “Maitrise” fa amin’izao ianao raha tsy mahavita hatrany amin’ny Master II tsy misy handray anao eo, hoy Rajoroarisoa Andrianina, filohan’ny Andrianiko ny Tanindrazako. Raha te hamorona asa anefa ny tanora dia olana be ny resaka hetra halaina amin’ny orinasa madinika sy salantsalany, hany ka voafetra ny safidin’ny tanora eto amin’ny firenena. Midika izany fa miakatra ny tahan’ny tsy fananan’asa sy ny fiadangan’ny vidim-piainana satria tsy manana fahefa-mividy intsony ny rehetra rehefa tsy misy ny asa. Raha izahay manokana no anontaniana dia ilay rafitra taloha mbola nisy ny “Maitrise” sy ny “Licence” no mety kokoa amintsika, hoy ny Fikambanana. Mitotongana tanteraka ny faripahaizan’ny Malagasy hatramin’ny nampidirana ny LMD ary mitombo ny tahan’ny tsy fananan’asa, araka ny fahitan’izy ireo azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.