Fifaninanana « Robotex intenational 2024 »

Tovovavy kely 3 no hiaro ny voninahi-pirenena


  • Talata 29 Oktobra 2024

Harena 11 taona, Fitizo 13 taona, ary Sodana 11 taona ! Izy ireo indray no hisolotena an’i Madagasikara

amin’ny fifaninanana « Robotex intenational 2024 », fifaninanana mikasika ny robotika hatao any Tallinn Estonie ny 6-7 desambra 2024 izao, araka ny fampahafantarana nataon’ny STEM4Good Madagascar tamin’ny pejin-tseraserany. Mpikambana ao amin’ny STEM Club, programam-pampianarana na ivelan’ny fianarana izay mamondrona ireo ankizy sy tanora lahy sy vavy 7-17 taona liana amin’ny tontolon’ny « codage », ny robotika ary ny STEM (Science, Technology, Engineering and Mathematics) izy ireo. Misitraka tan-tsoroka avy amin’ireo matihanina na mitari-dàlana na « mentors ». Amin’ity indray mitoraka ity, dia ny fanamboarana « Robot » miady amin'ny hai-trano, doro tanety, doro ala no lohahevitra, izay hifaninanan’izy ireo miaraka amin'ny mentors. Ny robot dia hanao iraka hijery ny misy labozia mirehitra napetraka ao amin’ny faritra hifaninanana ary hamono izany ao anatin’ny fotoana voafetra, raha ny fanazavana. Naneho ny STEM4Good Madagasikara, fa ny ady amin’ny haintrano dia fifaninana miantefa amin’ny ankizivavy sy ny renim-pianankaviana ihany koa, ary handrisiahana ny tanora misehatra amin’ny tontolon’ny teknolojia mba hampivelatra ireo fahaiza-manao ilaina mba hahazoana vokatra amin’io sehatra io. Tsara ny mampahatsiahy, fa vao ny faran’ny septambra teo no norombahin’ny Malagasy ny « First Global Challenge 2024 » fifaninanana momba ny robotika ihany koa, ka irariana mba hahazo vokatra tsara ihany koa ireto telo mirahavavy mbola ankizy dia ankizy saingy efa hiaka-tsehatra sahady amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena avo lenta ireto.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT