Fampianarana

Fifaninanana mamorona Robot Tsy lasa any Arménie ny solontenan’i Madagasikara


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Tamin’ny faran’ny herinandro teo no tokony ho niainga nankany Arménie ny ekipa malagasy Girls Robotika Madagascar izay saika hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena mamorona Robot ( Robotex Armenia 2019).

 

 

Tsy lasa anefa izy 5 vavy solontena Malagasy noho  ny tsy fahampian'ny enti-manana. Na dia efa naroso hanampiana ny vola voangona aza ny teto am-pelatanana rehetra dia mbola lavitra ny ezaka, hoy izy ireo. Na izany aza dia tsy hijanona eo ny tantaran'izy 5 vavy ary tsy ho very maina ny ezaka lehibe natao izay niaretan-tory sy ny fitotototoana hitady mpanohana nandritra ny 2 volana. Hataonay hoy izy ireo izay hahatafiditra anay amin'ny fifaninanana manaraka. Nisaotra eram-po an’izay nanohana rehetra ho fampahafantarana ny ezaka hanatsarana ny fampianarana siantifika eto Madagasikara izy ireo. Nankasitraka ireo nahafoy vola rehetra izy ireo ary nomarihany manokana ny fisaorana ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny minisitry ny paositra izay nihaino azy ireo sady nampanantena mihitsy kanefa indrisy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT