Fampianarana

Fifandonana teny Ankatso Polisy iray naratra mafy


  • Talata 16 Janoary 2018

Ny hisavorovoroan-kilatoana marina ve sa dia efa lasa fomba amam-panao isan-taona ny grevy eny amin’ny oniversitem-panjakana eto Madagasikara vao mivoaka ny vatsim-pianarana ?

  Nirefotra ny lakrimozenina teny Ambohitsaina omaly, nifandona indray ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo reg. Mpitandro ny filaminana  (polisy) iray no fantatra fa naratra voatora-bato teo amin’ny lohany ary somary voa mafimafy ihany. Nifampitaona vao maraina manoloana ny DEGS sy ny “Esplanade” ireo mpianatra nifampidinika ny amin’ny tokony hatao manoloana ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana 4 volana ambiny. Nisy mantsy ny fampanantenana fa hivoaka ny 8 janoary ny tetiandro hizarana azy io, saingy inona akory no teo  ? Tapaka ary ny hevitra fa hidina eny amin’ny fiantsonan’ny Taksibe 119 manoloana ny fidirana ny oniversite izy ireo. Ny nahatongavan-dry zareo teo no ela dia efa nigadona koa ny emmo-reg nanosika azy ireo hiverina hiditra tao amin’ny faritry ny oniversite, nisy ny dinika fohy nifanaovana tamin’ny iraky ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony, saingy tsy dia nisy vokany fa raikitra ihany aloha ny tora-bato sy daroka baomba mandatsa-dranomaso. Nifanindran-dalana tamin’izay, nanao hetsi-pitakiana koa ny teny amin’ny Sekoly ambony “Polytechnique” teny Vontovorona, ka raikitra ny fanakan-dalana. Vitan’ireo mpianatra mihitsy no nibata ny fatina fiara efa potika nentina nanehoana izay tsy fahafaliana izay, ary tonga teny an-toerana ihany koa ny Emmo reg, ka nisy ny fifandresen-dahatra tao anatin’ny hafanam-po. Nisy moa ny fihaonana sy ny fifampidinihana notarihin’ny filohan’ny oniversite Ramanoelina Panja, ireo Sojaben’ny fakiolte sy talen’ny sekoly fampianarana ambaratonga ambony sy ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra tao amin’ny “Salle des Présidents” tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Nivoaka ny fehin-kevitra niaraha-nanasonia fa havoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandro andoavana ny vatsim-pianarana. Araka ny lalàna mifehy ny famoahana ny volam-panjakana dia ny volana nianarana no andoavana vatsim-pianarana. Maty indray aloha izany ny afo, ary tapitra hatreo indray ny grevy.

Toky R sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT