Fampianarana

Fifandonana teny Ankatso, Ambohipo Mpianatra 3 voasambotra, hihamafy ny hetsika


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Nafana ny toe-draharaha teny Ankatso sy Ambohipo omaly. Vao maraina dia efa tonga maro be ireo mpianatra, tazana teny ihany koa ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmoreg.

 

 

 

Nanao fitokonana teo amin’ny sampanana manoloana ny Cité fonenan’ireo mpianatra eny Ankatso I omaly nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ireo mpianatra monina eny an-toerana. Manoloana ireo olana misy mianjady amin’ny oniversiten’Antananarivo, toy ny tsy fahalavorarian’ny rafitra LMD sy ny fikasan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony hanala ireo mpianatra monina eny amin’ireo fonenana natokana ho an’ireto mpianatra ireto ary ny tsy fizoran’ny fampianarana sy fikarohana eny amin’ny anjerimanontolo araka ny tokony ho izy no antony. Efa fantatry ny minisitra efa ela, hoy ny solontenan’ireo mpianatra ny olanay ary miandry azy hamaha izany izahay. Efa nisy ny fihaonana fa ny hangatahanay dia ny fanatanterahana atrikasa ho fakan-kevitra amin’ny rehetra ahitam-bahaolana maharitra. Etsy an-kilany dia manazava ny avy eo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa fa fanadiovana ireo “cités universitaires” no tian'ny ministera hatao. Hanjakan'ny gaboraraka tanteraka nandritra ny taona ny eny ka maro amin'ireo izay mipetraka eny no efa tsy mpianatra intsony fa misy mihitsy aza efa manambady aman-janaka, hoy ny fanazavana. Nafampana indray ny hetsika teny Ankatso omaly, nisy ny tora-bato ary toy ny mahazatra moa dia nirefodrefotra ny lakrimozenina ho fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Olona telo no fantatra fa voasambotra omaly satria nambara fa nitoraka ny mpitandro filaminana. Nanamafy ireo mpianatra fa mbola hitohy ny tolona ary hihamafy hatrany. Tazana niditra tao anatin’ny Cité ihany koa ireo mpitandro filaminana. Aiza ho aiza ny fipetraky ny antsoina hoe “franchise universitaire” izay mandrara ny mpitandro filaminana tsy hiditra anatin’ny faritra hiadidian’ny oniversite ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT