Fampianarana

Fidiran’ny sekoly katolika Ho raharaha raha hisy mpianatra marary


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Hiverina any an-tsekoly anio ireo mpianatra amin’ireo sekoly katolika eto Antananarivo, raha ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fiadidiana ny fanabeazana eo anivon’ity seha-pampianarana ity tetsy amin’ny Falda Antanimena omaly.

 

 Nisy moa ny fampiofanana nomena ireo talen-tsekoly tonga maro teny an-toerana omaly, raha ny fanazavan’ny Mgr Ludovic Rabenatoandro, Vikera jeneralin’ny fisahanana ny fanabeazana eo anivon’ny Diosezy eto Antananarivo, izay nomen’ireo tompon’andraiki-panjakana misahana izany. Tonga teny koa ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ny Unicef nanome fitaovana ary hisy ny toromarika hapetraka isak’ireo sekoly miisa 600 eto Antananarivo. Maro lafy ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Tao ireo nankasitraka fa tao koa ireo nitsipaka ary nilaza fa hitory sy tsy hiala amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly, raha sanatria maninomaninona ny zanany. Marihana fa misy ireo sekoly katolika tsy mbola hiverina hianatra anio fa manaraka ny fandaminan’ny fitondram-panjakana.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT