Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Misafidy izay daty tiany ny sekoly tsy miankina


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Efa miditra avokoa ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina, dia ireo manaraka ny fandaharam-pianarana Frantsay sy Anglisy.

 

 Afaka manapaka ny fidirana sy fandaharam-potoanany ny sekoly tsy miankina. Ho an’ny miankina amin’ny fanjakana kosa, dia ny 26 oktobra no miditra mianatra ireo amin’ny fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa, afatsy ireo kilasy famaranana satria misy tanterahana ny 19-25 oktobra ny fanadinana bakalorea, raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena omaly. Ho an’ny teknika kosa dia aorian’ny fifaninanana hidirana ao aminy ny 1-2 oktobra no ho tapahana ny daty . Nisy ny fifampidinihana tamin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny minisitera, ho an’ny Ambaratonga ambony, hoy ny filoha. Tsy hisy ny taona fotsy, fa ny fanapahan-kevitra, dia ny 02 novambra no hisokatra ny taom-pianarana 2019-2020.. Tokony efa hisokatra avokoa ny lalam-pirenena amin’io fotoana io. Amin’ny taona ho avy ny fidirana ho an’ireo afaka bakalorea amin’ity taona ity.

Toky R sy Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT