Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Manao tolotra fampindramam-bola ny BNI


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Efa tadifitra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra ireo ray aman-dreny isan-tsokajiny ankehitriny.

 Betsaka ireo sahiran-tsaina manoloana izany, antony nanosika ny banky BNI  hanampy azy ireny. Nampahafantatr’izy ireo ny mpanao gazety omaly ny fisian’ilay tolotra findramam-bola “credit fianarana”. Efa nanomboka tamin’ny alatsinainy 26 aogositra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny fiandohan’ny volana novambra ho avy izao. Vola hatramin’ny 5 tapitrisa Ar no ho azo alaina, azo averina ao anatin’ny telo ka hatramin’ny 10 volana. 12 % monja ny tahan-jana-bola alain’ity banky ity, hoy Rtoa Manoa Elia Rasandiniaina, tompon’andraikitra ara-barotra ao an-toerana sady tafavoaka ao anatin’ny 24 ora ihany koa ny vola hindramina. Kara-panondrom-pirenena ihany no ilaina. Ho an’ireo ray aman-dreny  mandray anjara feno amin’izany dia afaka manao ilay tombola izay mety hahazoany saram-pianarana maimaim-poana ao anatin’ny 12 volana ho an-janany izy ireo. Toraka izany koa ny fahazoany ireo karazana goodies toy ny kitapo, ny trousse,…. misy ny anaran’ity banky iray ity.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT