Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra Hisy fitsirahana atao amin’ireo sekoly tsy miankina


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Taorian’ny kabarin’ny Filoham-pirenena tamin’ny alahady alina lasa teo mikasika ny fanapahan-kevitra malalaka azon’ny sekoly tsy miankina raisina mikasika ny fidiran’ny taom-pianarana 2020-2021

dia fantatra fa manana ny andraikitra horaisiny ihany koa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpianatra. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Ministra mantsy dia handefa inspektera misahana ny fanabeazana hidina eny ifotony ny tenany, indrindra fa ho an’ireo sekoly tsy miankina hisokatra mialoha. Hijery rano fotsiny ny fahafenoan’ny fepetra ara-pahasalamana hahafahana mandray mpianatra no asan’io inspektera misahana ny fanabeazana io ka anisan’ireny ohatra ny fisian’ny toerana fanasan-tanana amin’ny savony ho an’ny mpianatra rehetra, ny fampiasana ny gel fanosotrona amin’ny tanana hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 ary indrindra ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Raha mahafeno tsara ireo fepetra ireo ilay sekoly hoy hatrany Rtoa Ministra dia afaka misokatra sy mandray mpianatra ara-dalana izy ireo. Amin’ny ankapobeny moa dia efa nisy ireo sekoly tsy miankina nandray mpianatra, omaly talata 08 Septambra. Misy ihany koa ireo handray mpianatra amin’ny 15 septambra ho avy izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT