Fampianarana

Fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra Voatery midi-trosa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny


  • Zoma 09 Novambra 2018

Mbola tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra isika ankehitriny. Amin’ny herinandro ho avy io mantsy vao hiditra amim-pomba ofisialy avokoa ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana raha efa niditra tamin’ny volana septambra sy oktobra kosa ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina.

 

 

 

 Noho izay antony izay indrindra dia betsaka tamin’ireo ray aman-dreny no voatery nidi-trosa. Diso nifanakaiky loatra mantsy ny fotoam-pialantsasatra sy ny fotoana nidiran’ny mpianatra teny anivon’ny tsy miankina noho ny halavan’ny taom-pianarana 2017-2018. Ho an’ny sekoly tsy miankina La Prime etsy Anosibe dia anisan’ny niaina izany tokoa. Tsy afaka nandoa ny saram-pisoratan’anarana niaraka tamin’ny saram-pianarana volana oktobra avy hatrany mantsy ny ankamaroan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao aminy fa nandoa izany tsikelikely. Ny saram-pisoratan’anarana sy ny fitaovan’ny mpianatra aloha no tena novonjen’ireo ray aman-dreny vao nanefa tsikelikely ny saram-pianarana izy ireo. Tena nandefitra ny sekoly, hoy Razanamihaja Harivelo Clarisse, sady niezaka tsy nampiakatra ny vola fandoan’ny ray aman-dreny isan-taona ihany koa. Nomarihiny fa zanaky ny sahirana avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra ao aminy.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT