Fampianarana

Fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra Efitranon-tsekoly vaovao 606 no naorina


  • Talata 03 Oktobra 2017

minisiteran’ny fanabeazam-pirenena manamboatra efitranon-tsekoly vaovao raha araka ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 1.000 eo ho eo izany raha araka ny fanazavan-dRamatoa Bakolinirina Fanja Hortensia,

 

Miezaka hatrany isan-taona  ny  tale miandraikitra ny fotodrafitrasa eo anivon’ity minisitera iray ity ka ho an’ny taona 2017, ohatra, dia efitranon-tsekoly miisa 606 no efa vita hatramin’ny volana jona lasa teo. Ny faritra Avaradrano no tena nahazo betsaka. Ankoatra izay, efitranon-tsekoly miisa 452 ankehitriny no efa hasiam-panarenana toy ireo nanana varavarankely nirodana. Tao koa ireo efitranon-tsekoly miisa 481 nianjera vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo, asa vao manomboka mandeha ka ny faritra SAVA sy Analanjirofo no tena voakasika. Nomarihin-dRamatoa Bakolinirina Fanja Hortensia moa fa miankina amin’ilay “carte scolaire” hatrany no hahafahan’izy ireo mampitombo ny efitranon-tsekoly any amin’ny faritra tsirairay avy. Io ihany no hahafahana mamantatra fa maro ankizy mpianatra ao amin’ny fokontany iray nefa zara raha misy ny efitranon-tsekoly handraisana azy ireo. Omaly no niditra tamim-pomba ofisialy ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy. Na izany aza anefa dia nofoanana ny fidiran’ny mpianatra amim-pomba ofisialy noho ny fisian’ilay aretina pesta izay voalaza fa efa namono olona 24 hatreto manerana ny Nosy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT