Fampianarana

Fiatrehana ny fanadinam-panjakana Mihazakazaka mampanao cours ireo ny mpampianatra


  • Talata 12 Mey 2020

Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny zavatra mety hisy eto amin’ny firenena mikasika ny fampianarana noho ny firongatry ny aretina coronavirus.

 

 

 

 Mbola ady hevitra be eo amin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny sekoly ary ny fanjakana mantsy ilay fanohizana ny fampianarana na tsia, antony manosika ireo mpampianatra sasany hihazakazaka amin’ny fampanaovana cours . Ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC ary baka no tena voakasik’izany izay tsy misy ny sara-pisoratana anarana raha mora ihany koa ny ekolazy. Nanomboka ny 04 mey lasa teo ny ankamaroan’ny fisoratana anarana amin’izy ireny raha amin’ity tapaky ny volana mey ity kosa no hanomboka ny fampianarana. Izany no hatao moa dia hahafahan’ireo mpampianatra mameno ny banga, indrindra nanomboka tamin’ny volana martsa no nankaty izay tsy nahazoany karama isam-bolana intsony. Tsiahivina moa fa ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina no tena mitondra faisana amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT