Fampianarana

Fiatrehana ny fanadinam-panjakana Lasa rera-tsaina amin’ny delestazy ny mpianatra


  • Talata 06 Jona 2023

Tsy misy izay tsy rera-tsaina amin’ny hafitsoky ny fahatapahan-jiro matetika na ny delestazy eto an-drenivohitra sy ny

manodidina ny rehetra. Ankoatra ny rotoroto amin’ny asa sy ny fianarana, arahin’ny fitohanan’ny fiarakodia eran’ny tanana dia mbola mampitaintaina ihany koa ny jiro isan’andro, indrindra fa ho an’ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Tsy maintsy manao famerenana mantsy ireo ankizy mpianatra raha vantany vao tonga any an-trano mba tsy hisy ny fanadinoana. Ny tena mampalahelo anefa mirava amin’ny 05 ora hariva ihany koa izy ireny saingy matetika dia efa lasa hatrany ny herinaratra ary tsy miverina raha tsy amin’ny 11 na amin’ny 12 ora alina. Mahatsiaro ho rera-tsaina ireo ankizy mpianatra noho izany. Ho an’ireo mifoha amin’ny 04 ora maraina mba hamerin-desona moa dia efa lasa ihany koa ny herinaratra matetika ka tsy misy azo hatao afa-tsy ny miverina matory. Tsy ny ankamaroan’ny tokantrano rahateo no manana ireny karazana takamoa afaka harehitra ireny rehefa tapaka ny jiro, ny lampe kely mandeha amin’ny vatoaratra….Tsy vitsy amin’ireo Ray aman-dReny noho izany no lasa mamorom-bola hividianana labozia. Tsy maharitra ora telo ihany koa anefa ny labozia iray dia lany raha 600 Ar ny mora indrindra. Tsiahivina moa fa manapotika asa fihariana maro, miteraka rarin-tsaina ho an’ny mpiasa sy ny mpianatra, miteraka famoaham-bola hafa ihany koa ny delestazy ka tokony hitadiavan’ny tompon’andraikitra vahaolana maharitra.
Pati
Legende : Mila mianatra amin’ny jiro tahaka izao anefa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana na maraina na hariva
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT