Fampianarana

Fiatrehana ny CEPE -Toamasina Ankizy 300 notolorana kits scolaire


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Hotanterahina ny 14 aogositra ho avy izao ny fanadinana CEPE taom-pianarana 2018-2019.

Betsaka ireo karazana fitaovana sy kojakoja ilaina amin'izany ankoatra ny sakafo sy ny akanjo mafana ho an'ny ankizy. Saika sahirana amin'ny fiatrehana ny fiainana amin'ny andavanandro avokoa anefa ny tokantrano Malagasy ka tsy manana fahafahana ny hanao izany ny ankamaroany. Mba ho fanampiana ireo ankizy mpianatra eny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra ary dia ankizy miisa 300 no notolorana Kits scolaire ny faran'ny herinandro teo, fanomezana avy amin'ny orinasa Star. Ankizy ao amin'ny taona fahadimy hiatrika ny fanadinana CEPE avokoa izy ireo mpianatry ny EPP ao Anjomaha, Cité Canada ary Maurice Guyot. Tanjon'ny mpanome amin'izany ny mba hahafahana manamaivana ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny, indrindra fa ho an'ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana manana ankizy hiatrika fanadinam-panjakana CEPE. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin'ny asa sosialy sy fitsimbinana ny mpiara-belona tanterahin'ity orinasa iray ity izany. Manakaiky ny orinasa Star ao Toamasina rahateo no misy ireo EPP telo ireo, fiaraha-miasa izay hitohy mandritra ny fotoana maharitra indray rehefa tapaka nandritra ny dimy taona. Nandritra ny fanatanterahana ilay Star Tour tao Toamasina ny faran'ny herinandro teo ka nanokafana ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe any an-toerana  no nanolorana  izany.


Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT