Fampianarana

Fiatrehana fidiran’ny mpianatra Hizara kopia ny boriborintany I


  • Zoma 14 Septambra 2018

Mandritra ity volana septambra ity ka hatramin’ny volana novambra dia hanatontosa hetsika fizarana kopia sy fanamarinam-pahaterahana ny avy eo anivon’ny Boriborintany voalohany,

 raha ny fanazavan’ny lefitry ny boriborintany, Heriniaina Razafindrakoto. Ho fanampiana ny ray aman-drenin’ny mpianatra no antony satria ireo no antontan-taratasin’ilay zaza hiditra hianatra voalohany, hoy ny fanazavana. Tsy mitarazoka be toy ny teo aloha intsony ny fakana ireo taratasy fa efa vita ao anatin’ny 1 andro ny kopia ary eo no ho eo ny biletam-piterahana. Nisy ny fandaminana vaovao eo amin’ny fomba fiasa eto amin’ny birao eto Analakely ary ireo izay teraka taty aorian’ny taona 2000 rehetra dia efa ampiasana solosaina daholo raha toa ka sora-masinina kosa no hamoahana ny taratasin’ireo teraka talohan’izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT