Fampianarana

Fiarovana ny ain’ny mpianatra Nanolotra fitaovana ny Airtel


  • Zoma 17 Novambra 2017

Mitohy hatrany ny ezaka tanterahin’ny orinasam-pifandraisana Airtel entina hampiroboroboana ny sehatry ny fampianarana eto amintsika.

  Taorian’ny nizaran’izy ireo Kits scolaires maimaimpoana dia nanolotra fitaovana hiarovana ny ain’ny mpianatra amin’ny fiampitana ny arabe toy ny  takelaka misy soratra STOP sy fanamiana hanaovan’ireo tompon’andraikitra ho ana sekoly ambaratonga fototra miisa 50  eto  an-drenivohitra izy ireo omaly. Tanjona ny hahafahana miaro ny ain’ireo mpianatra amin’ny lozam-pifamoivoizana, izay marihina fa tena mateti-pitranga  tokoa tato ho ato.  Tafiditra tao ny fanentanana sy fampianarana ny mpianatra sahady mba hahay hiaro tena rehefa miampita arabe.  Tena zava-dehibe loatra izao fanolorana fitaovana izao, hoy ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba satria ilana fahamailoana tanteraka ny fiampitana ny arabe, eny fa na ho an’ny olon-dehibe aza. Sambany moa no nanolotra fitaovana iarovana ny ain’ny mpianatra amin’ny fiampitana ny arabe tahaka izao ity orinasam-pifandraisana iray ity. Samy niaiky izao ezaka goavana nataon’ny Airtel ho fiarovana ny ankizy mpianatra izao ireo talen-tsekoly miisa 50 sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra niantefan’izany.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT