FIANGONANA PROTESTANTA SY NY FAMPANDROSOANA

Mijoro ao Toamasina ny sampan'ny oniversite F. J. K. M. Ravelojaona


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Governoran'ny Faritra Atsinanana

Rafidison Richard Théodore tao amin'ny birao fiasany omaly Talata 30 janoary ny Filohan'ny fiangonana FJKM Docteur Hirako Andriamahazo Ammi niaraka tamin'ireo tompon'andraikitry ny Oniversity FJKM Ravelojaona eto Madagasikara. Nisokatra tamim-pomba ofisialy omaly Talata ao amin'ny sekoly DAVID Jones Anjoma mantsy ny sampan'ity anjerimanontolo protestanta iray ity. Amin'izao fanombohana izao dia ny sampana fitantanana na "Gestion" no misy ao. Tombony lehibe ho an'i Toamasina sy ny Faritra Atsinanana hoy Andriamatoa Governora ny fiorenan'ny Oniversity FJKM ao an-toerana, satria sady mitaiza saina sy vatana no mitaiza fanahy ihany koa. Nanatrika an'izao fotoan-dehibe ireo manam-pahefana ao Toamasina izay nahitana ny Préfet –n’i Toamasina AMBININTSOA Jean José. Ny Lehiben'ny Sampan-draharaha Misahana ny Maha Olona Andriamatoa RATODISON Willy kosa no nisolo tena ny Goverinoran'ny Fatritra Atsinanana. Tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana sahanin’ny fiangonana FJKM eto amintsika moa izao fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana tanterahiny izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny filohan’ny FJKM sy ny solontenan’ny governoran’ny Faritra Atsinanana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT