Fampianarana

Fiangavian’ny ministeran’ny fitaterana Tamin’ny 8 ora sy sasany alina ireo taxibe farany niasa


  • Alakamisy 20 Jolay 2023

Taorian’ny olana nateraky ny fiparitahan’ny laza adina histo-geo mialoha tamin’ny tambazotran-tserasera facebook

omaly folakandro dia voatery nandray fanapahan-kevitra ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika nanolo izany tamin’ny alalan’ny laza adina fiandry. Voatery nihemotra avokoa ny fotoana nanombohan’ny laza adina noho izany ka nisy tamin’ny 07 ora hariva mihitsy ny an’ny sasany. Ankoatra ny delestazy izay nandraisan’ny JIRAMA ny andraikiny dia niangavy sy namoaka fanambarana ihany koa ny Ministeran’ny fitaterana omaly folakandro ny amin’ny mba hanohizan’ireo mpitatitra ny asany hatramin’ny 10 ora alina. Ny nahavariana anefa dia nanohy ny fomba fiasany toy ny mahazatra ihany ireo mpitatitra. Tsy vitsy ireo tamin’ny 06 ora hariva dia efa namonjy fodiana noho ny fitohanana lavareny iainan’ireo mpitatitra toy ny hita teny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Nisy kosa ireo mba niharitra hatramin’ny 08 ora sy sasany alina ihany saingy niala tsiny noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ankehitriny. Diso mahazo vahana sy manjaka loatra mantsy izany eto amintsika ka natahotra ihany koa ireo mpitatitra. Voatery namoaka vola nandehanana fiara karetsaka sy taxi-moto araka izany ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny izay tafakatra 40.000 Ar ny saran-dalana ho an’Anosibe miazo an’Itaosy.
Pati
Legende : Matahotra ny ainy ihany koa ireo taxibe noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT