FIANARANA TENY SINOA

Voafonja 35 isa nahavita fiofanana


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Azo hatao tsara ny mikiry sy miezaka amin’ny fiainana na inona inona olana sedraina.

Noporofoin’ireo voafonja miisa 35 nisalotra ny anarana : “ Vonona” eo anivon’ny fonjaben’Antanimora izany tamin’ny alalan’ny fanarahan’izy ireo fiofanana momba ny famolahana ny teny Sinoa nandritra ny efa-bolana. Miisa 64 izy ireo no niara-niofana teny am-piandohana saingy izy 35 mianadahy ireo no nahavita hatramin’ny farany ka nandray ny mari-pankasitrahana ary afaka hanatanteraka indray ny fanadinana ahazoan'izy ireo ny diplaoma iraisam- pirenena amin'ny teny sinoa, izay hiaraha-miasa amin'ny "Institut Confucius de l'Université d'Antananarivo".Ny ONG Tohanako no angady nananana sy vy nahitana ny fiofanana izay miarahana amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny fampiofanana ny voafonja ho lasa mpanabe olom-pirenena vanona na "éducateur civique". Tanjon’ny mpanofana ny hahafahan’ ireo voafonja miarina amin’ny fiainana rehefa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo. Ankoatra izay dia nofanina momba ny fahaiza- mitarika, hahay hanentana, hahay hanabe ireo namany momba ny soatoavin'ny olom-pirenena, ny fanajàna ny hafa ary ny andraikitra ara-tsosialy koa izy ireo. Mpandresy ianareo, hoy ny mpampiofana nandritra izany, toe-tsaina tokony hananan’ny rehetra ihany koa na inona na inona fitsapana tsy maintsy lalovana.
Pati
Legende : Santionany tamin’ny andiany Vonona navoaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT