Fampianarana

Fianarana teny anglisy Namoaka mpianatra 80 mahery ny ESM


  • Talata 16 Aogositra 2022

Tontosa ny sabotsy teo tetsy Antanimena ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra teny anglisy nahavita ny fiofanany nandritry ny 4 volana teo anivon’ny sekoly ambony momba izany na ESM.

Nifarana nialohan’io ihany koa ny antsoina hoe “Final speech”, izany hoe, fanohanana lohahevitra farany tsy maintsy nataon’izy ireo nahazoana izay sertifika izay, hoy ny fanazavan’ireo mpanabe. Maherin’ny 80 isa ireo mpianatra navoaka tamin’ity andiany fahatelo hatramin’izay nitsanganan’ny ESM ity. Maro ireo lohahevitra nofidian’ireo mpianatra izay nampahafantarin’izy ireo nandritry ny 15 hatramin’ny 20 minitra avy teo. Tanora no ankamaroan’izy ireo. Santionan’ireo lohahevitra, ohatra, ny mikasika ny lafin-tsara sy ratsin’ny “Jeux video”, ny resaka fahatokisan-tena na “self confidence”, ny hery miafina ambadik’ireo hazo na “the power trees”, ny tambazotran-tserasera samihafa, ny mikasika an’I Etazonia, izay toy ny nitondrana ireo mpitsara nitsangatsangana tao anatin’izay 15 minitra izay mihitsy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende: Santionan’ireo fanohanana lohahevitra teny an-toerana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT