Fampianarana

Fianarana aorian` ny bakalorea Azo fantarina mialoha ireo lalam-piofanana misy


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Mba tsy ho very fotoana ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny amin’ny fifidianana lalam-piofanana aorian’ny Bakalorea dia namoaka ireo sampam-piofanana sy lalam-piofanana samihafa ny Maison de la Communication des Universités (MCU). Efa azo

 

 

 jerena amin` ny tranokalan` ny minisiteran` ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiantifika ireo lalam-piofanana, ireo karazana dingana sy masontsivana samihafa ary ireo karazana sekoly lehibe misehatra amin’ny fampianarana ambony tahaka ny ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny ENS, ny Politeknika Vontovorona, ny CNTEMAD. Hita ihany koa ny fahasamihafana eo amin` ny rafim-pampianarana teo aloha sy rafitra LMD. Tanjona dia ny hanamorana sy hanomezana toromarika ho an` ireo amin` ny fianarana tokony ratoviny aorian’ny nahazoana ny Baka. Mba hisorohana ihany koa ny fialàna amin` ny fianarana ao anatin` ny taona voalohany eny anivon` ny anjerimanotolo. Marihana fa 50% ny tahan` izany fialàn`an-daharana izany. Fahasahiranana ho an’ireo mpianatra sy tanora indrindra izay tsy fahitana ny lalan-kizorana izay.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT