Fampianarana

Fialantsasatry ny noely Mbola vitsy ireo olona mihazo ny faritra, mikaikaika ny mpitatitra


  • Talata 19 Desambra 2017

Raha efa niaina tanteraka tao anatin’ny fety ireo mpitatitra mihazo ny Faritra rehefa ankatoky ny fety tahaka izao noho ny hamaroan’ny mpandeha dia ny mifanohitra amin’izay ny zava-misy iainan’izy ireo ankehitriny.

Roa monja isan’andro mantsy raha betsaka ireo  taksibrosy mahafeno mpandeha, tafidina iray mihitsy indraindray. Tafiditra ao anatiny ny mihazo an’i Toamasina sy Mahajanga, toerana be mpisafidy indrindra rehefa ankatoky ny fetin’ny Noely tahaka izao. Noho ny fihemoran’ny vakansin’ny mpianatra nateraky ny fihanaky ny aretina pesta no nambaran’ireo koperativa fa antony, eo ihany koa ny tsy fananan’ny olona vola. Ny entana no betsaka mandefa raha araka ny fanadihadiana natao, tsy misy olona manaraka fa dia ankinina fotsiny amin’ny mpamily. Manahy mafy ny mety haharatsy ny tsenany  ireo koperativa mihazo ny Faritra. Amin’ny zoma ho avy izao avokoa mantsy vao hiditra ao anatin’ny fialantsasatry ny noely  ny mpianatra nefa roa andro monja aorian’io dia efa krismasy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT