Fampianarana

FARMSHOP Manofana maimaim-poana ny mpiompy


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Orinasa mpaninjaran’ ny Avitech sy ny LFL ny Farmshop. Mivarotra provandy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izy ireo ao anatin’izany no sady mivarotra akohokely vao fohy iray andro ihany koa.

Manome fiofanana maimaim-poana ireo tantsaha mpiompy etsy amin’ny Stade annexe Mahamasina izy ireo nanomboka omaly, ao anatin’ilay foara ara-toekarena Fiermada. Ny Alahady ho avy izao izany vao hifarana iarahana amin’ireo teknisiana efa matihanina misahana ny resaka fiompiana. Raha araka ny fanazavan-dRatovoaritsoa Lila, tompon’andraikitra ara-barotra eo anivon’ny orinasa Farmshop dia tsy mijanona ho an’Antananarivo irery izao fanofanana mpiompy izao fa efa misadrahaka manerana ny Nosy mihitsy. Tanjona ny mba hahafahan’izy ireo manatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpiompy ho fampandrosoana ny isam-paritra. Marihina moa fa manana karazam-pitaovana maro hahafahana  manampy ireo mpiompy ihany koa ny farmshop. Hankalaza ny fahadimy taona niorenany ny orinasa amin’ity taona 2017 ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT