Fampianarana

Faritra misy pesta Tsy mbola mianatra herinandro indray ny mpianatra


  • Sabotsy 14 Oktobra 2017

Tsy mbola feno ny fepetra hahafahana mampiditra ny ankizy eny an-tsekoly manoloana ny valanaretina pesta eto amin’ny firenena, hoy ny fanambarana ofisialy nataoan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly zoma.

Midika izany fa tsy mianatra indray manomboka ny alatsinainy 16 oktobra izao ary mandritra ny herinandro ny mpianatra amin’ireo Cisco sy Zap tsy azo antoka ny fifehezana ny mety ho fihanaky ny pesta. Tafiditra ao anatin’izany ny Cisco Antananarivo Renivohitra iray manontolo, Cisco Avaradrano ( ZAP Ankadikely ouest,  ZAP Ankadikely est, ZAP Andranovelona,  ZAP Sabotsy Namehana,  ZAP Ambohimangakely,  ZAP Anosiavaratra), Cisco Atsimondrano (ZAP Tanjombato, ZAP Soavina,  ZAP Bemasoandro, ZAP Ankaraobato, ZAP Andoharanofotsy, ZAP Andranonahoatra,  ZAP Itaosy, ZAP Ambavahaditokana,  ZAP Ambohidrapeto, ZAP Fenoarivo, ZAP Ampitatafika). Anisan’ny tsy mianatra ihany koa ny Cisco Ambohidratrimo, Cisco Manjakandriana, Anjozorobe, Andramasina,Toamasina I manontolo, Toamasina II, Fenoarivo Atsinanana manontolo, Mahanjanga I manontolo, Arivonimamo, Miarinarivo, Soavinandriana, Fianarantsoa I manontolo, Ambalavao, Fandriana, Antanifotsy, Betafo, Tsiroanomandidy. Misy moa ny ZAP mianatra sy ny tsy mianatra ao anatin’ny Cisco iray koa adidin’ireo tompon’andraikitra amin’ny sekoly no maka ny vaovao sy ny fandaminana eny anivon’ny lehiben’ny Cisco misy azy. Voakasik’ity fikatonan’ny fianarana ity ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Efa napetraka ny fepetra sy fomba fiasa hiatrehana ny pesta. Mbola mila herinandro handaminana sy hahamatotra tsara azy, ka izay no antony tsy hianarana, hoy ny fanazavan’ireo tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly. Manamafy hatrany izao fepetra izao fa tsy mbola voafehy ny pesta amin’ny faritra maro eto Madagasikara ka tsy te hidi-doza ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena satria raha sanatria ao amina sekoly iray no miparitaka ny pesta dia ho zava-doza no hitranga any anaty fiarahamonina ary hitombo avo be ny isan’ireo olona mararin’ny pesta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT