FARITRA ATSIMO ATSINANANA

Nitsoaka an-daharana an-tsekoly ny 75%n’ny vehivavy


  • Alarobia 21 Mey 2025

Ny 75%-n’ireo vehivavy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana no fantatra

fa nitsoaka an-daharana an-tsekoly. Manam-bady aloha loatra ihany koa ireo tovovavy any an-toerana ka manao tera-bitro. Mbola tsy dia misy any amin’ity faritra ity mantsy ny fandrindram-piainam-pianakaviana na ny fanabeazana aizana. Betsaka ihany koa ireo zaza sy ankizy tokony hianatra nefa tsy manana kopia mari-pahaterahana, ny Reny mitaiza irery nefa tsy manana anton’asa mahavelona….Anisan’ny antom-pijoroan’ny Fikambanana “Mitsangana fa vehivavy Atsimo Atsinanana” izany, izay nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny mpanao gazety omaly Talata 20 May. Tanjon’ny fikambanana raha araka ny fanazavan’ny filohany Rtoa Paulette ny hanova endrika ny Faritra Atsimo Atsinanana mihitsy mikasika ny fitaizana sy ny fikarakarana ny ankizy sy ny vehivavy. Fantatra ihany koa moa fa mbola tsy manan-jo mihitsy ny vehivavy any amin’ity Faritra ity eo amin’ny resaka fizaram-pananana. Mbola ny lehilahy hatrany no mandova….Tsy vita mora foana anefa izany fanovana izany antony manosika ny fikambanana hikarakara ilay hetsika fitadiavam-bola dejeuner dansante izay hotanterahin’izy ireo amin’ny datin’ny Sabotsy 24 May ho avy izao.
Pati
Legende : Mbola tena tsy misitraka ny zony ireo vehivavy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT