Fampianarana

Faripahaizan’ny mpianatra Malagasy Ireo antony mampitotongana azy


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Mitotongana hatrany ny faripahaizan’ny mpianatra Malagasy amin’izao fotoana izao, raha dinihina amin’ny voka-panadinana.

 

 Raha vantanina ny resaka, miha dondrona hatrany ny zaza noho ny fahantrana, fandaharam-pianarana tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, fanokafana sekoly izay tena gaboraraka tanteraka … Olona tsy manana fahaiza-manao amin’ny resaka fampianarana no lasa miditra amin’izany vokatry ny tsy fisian’ny asa atao. Eo ihany koa ny tsy fahafehezan-tenan’ny mpianatra fa antony lehibe tsy afa-misaraka amin’izao fitotongan’ny fampianarana izao takaitra navelan’ny fanonganam-panjakana sy ny krizy tamin’ny taona 2009. Nijanona ho nofy sisa ny programam-pampandrosoana novolavolaina. Raha tsiahivina ny tantara, efa tamin’ny taona  2006 nisian’ny programam-pampandrosoana Madagasikara Am-Perinasa (MAP) no namolavolana ny programa sy politika hanatsarana miandalana ny fandaharam-pianarana. Naseho voalohany teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny boky MAP ny 12 novambra 2006, ary voaresaka betsaka tao anatiny ny fanarenana ny fanabeazana, izay antoky ny fampandrosoana satria tsy hisy firenena handroso raha tsy mianatra sy mahay ny olona ao aminy, ary mifanaraka tsara amin’ny filan’ny firenena ny paikady sy ny rafitra hampiasaina. Naongana ny fanjakana tamin’izany, izay efa nahavita ny drafitra matipaika, kanefa 10 taona aty aoriana isika vao hiroso amin’ny MAP ihany. Efa tokony ho dingana hafa no misy antsika ankehitriny ary tsy teo amin’ny lafiny fampianarana fotsiny fa ny fandrosoan’ny firenena mihitsy, raha tsy nisy ny fandrodanana sy ny famotehana. Anatra ho an’ny sisa angamba izao iainana izao.

 


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT