Fampianarana

Fanomezana vatsim-pianarana Hiara-kiasa amin'ny orinasa Mex ny ESCAME


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny sekoly ambony ESCAME ( Ecole Superieure de Comptabilités d'administration et de Management d'Entreprise) eny Ambaranjana sy ny orinasa

MEX avy any Népale izay misehatra manokana amin'ny fanomezana vatsim-pianarana ho an'ny mpianatra. Hisandrahaka amina asa maro loha ny fiaraha-miasan'izy ireo toy ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ka hisy mihitsy ny fifanakalozana mpampianatra sy fandaharam-pianarana mandritra izany. Hisy ihany koa ny fanatsarana ny fitaovana hampiasain'ny sekoly arahin'ny fanatsarana ny foto-drafitrasa mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ho avy tsy ho ela ihany koa raha araka ny fanazavan'ny filoha mpanorina ny sekoly ambony ESCAME Marc Ramiarinjatovo ny fiaraha-miasan'ity sekoly ambony iray ity miaraka amindry zareo any Dubai. Tsiahivina moa fa ny orinasa Mex izay efa misy sampana eto Madagasikara dia miasa rano fotsiny amin'ny fanaraha-maso ny fiakarana sy ny fidinan'ny vidin'entana eo anivon'ny tsena iraisam-pirenena mba hahazoana tombontsoa ara-bola. Ireo mpianatra mandalina manokana ny momba ny banky no tena tsinjoviny amin'izany ka anisan'ireny ireo mpianatry ny ESCAME. Tontosa omaly teny Ambaranjana ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin'ny roa tonta, an-daniny ny filoha mpanorina ny sekoly ambony ESCAME Marc Ramiarinjatovo, an-kilany ny tale jeneralin'ny orinasa Mex eto Madagasikara  Andriamatoa Tsiory Malalajaona.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT