Fampianarana

Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra Velon-taraina sahady ny ray aman-dreny


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Efa miomana sahady amin’ny fidiran’ny mpianatra taom-pianarana 2018-2019 ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny ankehitriny.

 
 Hifarana amin’ity faran’ny volana aogositra ity ny fisoratana anarana ho an’ireo sekoly manana mpianatra  miditra volana oktobra . Efa tamin’ny volana jolay kosa ny an’ireo manana mpianatra miditra amin’ny volana septambra toy ireo manaraka ny fandaharam-pianarana frantsay.  140.000 Ar  ny vola tsy maintsy homanina ho an’ny mpianatra iray, miankina amin’ny kilasiny, fanavaozana  ny fisoratana anarana fotsiny raha mbola hafa ihany koa ny saram-pianarana izay nahitana fiakarany 10 % raha kely. Betsaka amin’ireo ray aman-dreny no tsy manana tetibola hanaovana vakansy fa tsy maintsy hiatrika sahady ny fidiran’ny mpianatra indray. Mikasika ny fitaovam-pianarana manokana dia tsara ny manamarika fa efa marobe ireo mpivarotra mivarotra izany ankehitriny. Ho ana mpivarotra iray etsy amin’ny pavillon Analakely, ohatra, dia nomarihiny fa efa mandeha ny tsena na dia tsy tena mahafa-po aza. Ireo kojakoja ilain’ny mpianatra madinika no tena be mpitady, toy ny pensilihazo miloko, ny kahie akanja, ny taratasy miloko isan-karazany… izay saika nahitana fiakarany hatrany amin’ny 10 % avokoa ny vidiny, raha oharina tamin’ny taon-dasa. Ny kahie no tena nahitana fiakarany, miankina amin’ny kalitaony. Nomarihin’ireo ray aman-dreny manan-janaka hampiditra mpianatra amin’ny volana septambra ho avy io fa mafy tamin’izy ireo ity taona 2018 ity satria sady nandoa saram-pianarana volana jolay izy ireo no nanavao ny fisoratana anarana amin’ity taom-pianarana vaovao ity ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT