Fampianarana

Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra Velon-taraina hatramin’ireo sekoly


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Misedra olana tanteraka ireo tompona sekoly tsy miankina eto amintsika amin’izao fotoana izao manoloana ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra, indrindra fa ny fanavaozana sy fikarakarana ireo karazana kojakoja rehetra ilaina.

 

 An-tapitrisany no vola lany amin’izany, raha araka ny fanadihadiana natao, indrindra fa ho an’ireo sekoly mandray ankizy garabola ka hatramin’ny kilasy famaranana. Ho an’ireo sekoly tsy maintsy  mametaka sary kely amin’ny rindrina mba hamalifaliana ny mpianatra ohatra dia 30.000 Ar  ny nanamboatra ny sary iray amin’izany miampy ny fandokoana. 12.000 Ar ihany koa anefa ny mora indrindra amin’ny boatin-kodo ankoatra ny loko any anaty trano... Ho an’ny dabilio manokana raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Lycée Privée Nomentsoa izay vao nanitatra ny ambaindahiny eny  Ambatomaro sy Ambohidrazaka Alasora dia efa mahatratra 20.000 Ar ny mampanamboatra ireo karazany tsotsotra amin’izany izay ilana 30 isa isaky ny efitranon-tsekoly raha kely raha mahatratra 15 eo ho eo kosa ireo simba tsy maintsy ilam-panamboarana isan-taona. Na izany aza anefa dia tsy nanondrotra saram-pianarana izy ireo, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rakotondratrema Sophie, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly nefa mitsabo maimaim-poana ny mpianatra raha sanatria ka marary tampoka any am-pianarana izy ireny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT