Fampianarana

Fanesorana mpikamban’ny SECES “Tsy manan-kery ny latsa-bato miafina”


  • Alakamisy 25 Janoary 2018

Manoloana ny vaovao mikasika ny raharahan-tokantranon’ny sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra na SECES, nivoaka tamin’ny haino aman-jery ny 12 janoary 2018 sy mba tsy hisian’ny savorovoron-kevitra ao amin’ireo mpikambana ny SECES rehetra manerana ny Nosy, dia mitondra fanazavana ny birao nasionalin’ny SECES ahitana an’Atoa isany Ralambomanana Dimby, Randrianasolo Rivoarison ary Randrianomanana Bruno

izay manamafy fa samy mpikambana feno ao amin’ny birao nasionaly, lany tamin’ny fifidianana nandritra ny kongresy nasionaly, tany Mahajanga ny 18 sy 19 septambra 2017, rafitra ambony indrindra ao amin’ny SECES. Mbola mitazona sy manohy ny andraikiny sy ny adidy nankinin’ny mpikambana manerana ny Nosy izy ireo. Ny latsa-bato miafina nataon’ny sampana iray ny 11 janoary 2017 dia tsy manan-kery satria tsy voafaritra ao anaty sata sy ny fitsipika anatiny SECES, raha ny fanazavana. Miantso ny fahendren’ireo mpitarika sasantsasany ao amin’io sampana io, izay nampamoaka anaran’olona an-gazety tsy hamerina izany intsony, satria sady manala baraka ireo olona voatonona anarana, no manimba ihany koa ny firaisankinan’ny SECES manerana ny Nosy, hoy ireo mpikamban’ny birao nasionaly. Mampahatsiahy fa azo henjehina araka ny lalàna velona eto ny toy ireny, indrindra fa zavatra maro tsy marim-pototra sy henatra eo amin’ny fiarahamonina no tanisaina tsy misy porofo, hoy ny fampitam-baovao. Isika no vato nasondrotry ny tany, ary fitaratra amin’ny fahaizana amam-pahalalana, hoy ireo mpikamban’ny birao nasionaly ireo ka aoka hitandro toy ny anakandriamaso ny tena antom-pijoroan’ny SECES fa tsy hanahy vary sy hanely tsaho. Mampatsiaro koa ny birao nasionaly SECES fa tsy azo atao ny manao fisandohana grady (usurpation de titre), toy izay atao amin’ny fanaovana sonia ireo fanambarana, amin’ny alalan’ireo serasera maro izay niseho tato ho ato. Izay rehetra notakian’ny SECES, teo ambany fitarihan’ny filoha nasionaly sy ny birao miaraka aminy, dia tanteraka avokoa. Ny fikarakarana ireo zoky raiamandreny sisa no dingana eo amin’ny sehatra nasionaly ka nahoana no misy ireo mahasahy manaratsy sy mamingana ny namana mpiara-mitolona ? hoy ny SECES nasionaly. Nankasitraka ny fankaherezana sy ny fanohanana avy amin’ny mpikambana maro manerana ny nosy, izay miisa an’arivony maro ny birao nasionaly. Mafampana ny resaka politika ary antomotra ny fifidianana, ka tsy hay na misy hifandraisany amin’izany ny olana anatin’ny SECES mifandraika amin’ny resaka fitakiana. Misy ny efa mirona amin’ny resaka kajy politika, hoy ny sasany, ka izay no mety ho antony tsy mampitovy hevitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT