Fampianarana

Fanemorana ny fidiran’ny mpianatra Miteraka olana ny fahataran’ny serasera


  • Talata 09 Janoary 2018

Taorian’ny fialan-tsasatry ny pesta dia miditra amin’ny fialan-tsasatry ny rivodoza indray ireo mpianatra ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana maro nanomboka omaly toy ny eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Brickaville.

 

 Ny Alakamisy indray ireo mpianatra voakasik’ireo Cisco telo ireo vao hiverina hianatra noho izany raha tsy sanatria mbola hiampy indray miankina amin’ny fiakaran’ny rano…Samy manana ny paikady hiatrehany ny fahatapahana ny sekoly tsirairay avy amin’ny ankapobeny, indrindra ireo tsy miankina. Ho an’ny lisea La Prime etsy Anosibe manokana dia tsy maintsy hampianarina avokoa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana manomboka izao isaky ny sabotsy hahafahana mamita ny programa. Hojerena manokana ihany koa ireo kilasy tsirairay, raha araka ny fanazavan’ny taleny Solonandriana Lanto. Nahitana lesoka ny fomba nampitan’ny minisitera iny vaovao iny. Omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany mantsy vao tena nandefa vaovao mazava mikasika ny tsy fianaran’ny mpianatra izy ireo izay nomarihiny manokana fa mbola tany amin’ny faran’ny vaovao ihany koa. Ny mpianatra ato aminay anefa hoy izy miditra amin’ny 7 ora maraina avokoa ny secondaire ka voatery nianatra ihany izahay omaly maraina. Maro ireo nitaraina mafy ny amin’ny fahataran’ny fomba fiasa eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, indrindra fa ny fampitam-baovao mahakasika ny besinimaro tahaka izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT