Fampianarana

Fandravana ny tolon’ny mpanabe Mampiasa volabe ny fanjakana, hoy ny mpitolona


  • Talata 24 Jolay 2018

Fandravana ny tolon’ny mpanabe Mampiasa volabe ny fanjakana, hoy ny mpitolona

Tamin'ireo lisea ara-panjakana dimy lehibe eto Antananarivo, tsy nisy ny fampianarana omaly. Na teo aza ny fisian’ny fifanaovan-tsonia niarahana tamin’ny praiminisitra ny faran’ny herinandro teo ka nilazan’ny andiana mpampianatra avy amin’ireo elatra Antanimbarinandriana fa hiverina ny fampianarana nanomboka omaly, dia tsy tena nisy izany tamin’ny ankapobeny. Tsy nisy ny fianarana tao amin’ny LMA Ampefiloha, JJ Rabearivelo Analakely, Jules Ferry Faravohitra, Lisea Gallièni Andohalo. Nisy mpampianatra vitsy niasa kosa ny teny amin’ny Lisea Nanisana. Tao amin’ny onjam-peo iray, dia nilaza omaly Renadison Gabriel, iray amin’ireo mitarika ny tolon’ny mpanabe fa mampiasa volabe ny fanjakana ary mampiteny olom-bitsy. Olona voakarama ireny ka vao mainka hihamafy ny tolona manerana ny Nosy, hoy izy. Misy ny olona miseho azy mitarika tolona sendika teny Antanimbarinandriana satria matahotra ho very seza, raha ny nambarany. Hamitaka ireo olona ireo no nitsanganany teo, ary tezitra ny mpitolona teny, dia namonjy ny namany eny Anosy raha ny fanehoan-kevitr’ity mpitolona iray ity. Ny tambiny manokana momba ny resaka trano honenany na ny “Indemnité forfaitaire de residence” dia 90Ar, raha 100 000Ar any amin’ny hafa. Tsy mbola mivaha ny olana fa natao kosa izay hampifandramatra ny samy mpampianatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT