Fampianarana

Fandraisana mpampianatra tany Mahajanga


  • Zoma 19 Mey 2023

Nibaribary indray ny fampifangaroana ny politika sy fanabeazana

Ny alarobia 17 may 2023 teo moa no notontosaina tao amin’ny Complexe sportif tao Mahajanga ny lanonana fitokanana ny EPP Tanambao Sotema sy ny CEG ao Mahabibo. Notontosaina tamin’io koa ny fanomezana ireo fifanarahana na «contrat» ho an’ireo mpampianatra vaovao voaray ho mpiasam-panjakana, andiany faha 9, teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, amin’ny alalan’ny DREN ao Boeny. Nomena bisikileta ihany koa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, ireo heverina fa mendrika izany. Nibaribary indray ny fampifangaroana ny politika sy fanabeazana teto rehefa nojerena ny fizotry ny lanonana manontolo. Tsy vitan'ny fotodrafitrasa fa mbola nomena fampiofanana ka misaotra ny filoha sy ny minisitra, hoy ny santionan’ny kabarin’ny filohan’ny delegasionina manokana na PDS ao Mahajanga. Nataon'ny fitondrana laharam-pahamehana ny fanabeazana ka ampy ny mpampianatra ary mbola nampiana, hoy izy. Ny filoha mihitsy no anisany nanao «conception» na namolavola ireo boky ka misaotra azy manabe, hoy hatrany ny tenany. Nandray fitenenana indray ny sekretera jeneralin’ny prefektiora. Ny fotodrafitrasa dia milaza fa manome lanja ny fanabeazana, hoy izy, ary misy akony amin’ny vahoaka sy tokantrano ny fanomezana. Faly ny vahoaka malagasy satria tsy mbola nisy ohatran’ity teto Madagasikara, hoy indray avy eo ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, ny depiote Nina. Tsy menatra amin’izany izahay ramatoa minisitra milaza fa «orange» izahay satria tsara ny «jus d'orange», hoy izy, ary araka ny velirano fahaefatry ny filoha izay isaorana dia tsy mbola nisy mpanabe maro toa izao teto Madagasikara. Isaorako ny mpampianatra niara-niasa amiko hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy misy toerana adino eran'i Madagasikara ka tano ny azo fa sarotra ny mila. Orange tsara, hoy hatrany izy. Milaza fa miray hina isika ao fanabeazana, hoy kosa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, satria samy hafa ny toerana iasana ary mifameno amin’ny olomboatendry sy voafidy ny asan'ny minisitera. Raha oharina amin’ny mofo ny governemanta dia bitika no azon’ny fanabeazana satria dia «3 postes budgétaires par an» ny antsika, hoy izy. Niova anefa ny filoha ka tsara fa tiany ny fanabeazana ary tiany ny mpampianatra ka dia tonga avokoa ny vola, fitaovana, ny fampidirana mpampianatra. Izy moa hita fa mahavita, mavitrika. Amin’ny 2028 dia voaray avokoa ny mpampianatra ka mipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny filoha sy isika ka ampio izy amin’ny fotoana ilainy amin’izany. Pasitera latsaka fahefany ny mpampianatra ary Andriamanitra kely ny mpanabe, manala amin’ny maizina. Politika tsara ny antsika ary tsy hanao fety ihany isika fa handefa hafatra hoe isika dia miakanjo fotsy madio ary manana toerana goavana amin’ny firenena. Mandalo ny toerana fa isika dia mpanabe sy mpampianatra mandrakizay. Fiaraha-miasa amin’ny ambasadin’i Inde ny bisikileta ary baiko avy amin’ny filoha mba omena azy ireny izay tena mila azy ireny ka isika mpanabe sy mpampianatra anisany, hoy hatrany ny kabary.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT