Raikitra ny fihaonambe, zava-dehibe amin’ny politikam-panjakana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly 11 aogositra ary haharitra roa andro ny Fihaonambe ho Fanavaozana ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, izay sehatra entina hifampidinihana sy hamolavolana vina ary paikady iombonana ho fanatsarana ny fidirana sy ny kalitaon’ny fiofanana, ny fitantanana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra, ary ny fampifanarahana ny fiofanana amin’ny filàn’ny tsenan’asa. Nanome voninahitra izany ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, sy ny METFP tarihin’ny Dr Todisoa Adriamampandry, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ireo olo manan-kaja maro samihafa izay maneho ny maha-laharam-pahamehana ny fanavaozana ny ETFP eo amin’ny politikan’ny Fanjakana. Natolotra tamin’izany ihany koa ny taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra « vacataires » 250 izay noraisina ho mpiasam-panjakana raikitra, taorian’ny fizotry ampahibemaso. « Sehatra afahantsika manome fahaiza-manao ny tanora, izay ahafahany tonga dia miasa amin’ny orinasa ary ahafahany mamorona asa », hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, raha naneho ny maha zava-dehibe ny fampianarana teknika. Ao anatin’ny fotoana fohy, anatin’ny herintaona, na tsy manana diplaoma aza dia afaka mahavita zavatra. Ny fandavahana sy fanaovana lavadrano ohatra dia asa tokony ho vitan’ny tanora Malagasy. Anisan’ny teboka lehibe sy tombondahiny nasongadin’ny Minisitra Todisoa Andriamampandry kosa ny « assise nationale » entina hanatsarana ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, fandraisana ireo mpiasa 250, fifanarahana manan-danja amin’ny tsy miankina. Nisy avy hatrany moa ny fihaonana teo amin’ny METFP) sy ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle) omaly taaorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonambe. Nifantoka manokana tamin’ny tetikasa MYSET izay mikendry fanofanana tanora miisa 120 000 ao anatin’ny dimy taona, amin’ny sehatr’asa miisa 50 ny dinika. Amin’ny alalan’ity tetikasa ity dia kendrena manokana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy ny fanamorana ny fidiran'izy ireo amin’ny sehatr’asa. Miroso ao anatin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa noho izany ny roa tonta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.