Fampianarana

Fanavaozana ny fampianarana Hatsaraina ny efa teo, hisy taranja vaovao hafa


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Miroso amin`ny fanatanterahana ny teti-pivoarana momba ny fanabeazana (PSE) i Madagasikara, izany hoe ny fanemorana hatrany ny tetiandro fampianarana amin`ny taona 2022 ka hanomboka ny volana martsa sy hifarana ny volana novambra. Amin`ny taona ho avy,

 

 efa hiditra amin`ny volana janoary ny fidiran’ny mpianatra. Tafiditra ao amin`ny rafitra PSE ihany koa ny fampiofanana ireo mpampianatra marobe anatin`ny tetikasa PAEB ( Projet d`Appui d`Education de Base). Marihina fa ny fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon`antoka no nifandraharaha tamin`ny Banque mondiale amin`ny fanatanterahana an`ity tetikasa ity. Araka izany, hisy ny tetikasa hanamboarana efitrano fampianarana miisa 11 500 izay mitentina 100 tapitrisa dolara. Ankoatra izay, hohatsaraina sy havaozina ny taranja rehetra ka hisy ny fampidirana taranja vaovao toy ny “Science Economique Speciale”, Informatika, “Education de la citoyennetè” hatomboka amin`ny taona fahafolo na kilasy faharoa amin`ny herintaona. Mihazakazaka ny fivoaran`ny teknolojia ka zava-dehibe ny fampahafantarana izany an`ireo ankizy mba hampitomboana ny fahalalana sy fikarohana azy ireo sady maro rahateo ireo asa miankina ny fahaizana informatika. Ankehitriny efa manana “tablette” avokoa ireo 60% ny lisea fa kosa hovatsiana solosaina 12 avokoa ireo fianarana manodidina ny zato (100) manerana ny nosy. Ankoatra izay, vinavinaina ihany koa ny fanakambanana ny sokajy A1 sy A2 ho iray ary hanampiana ny sokajy “Science Economique” sy “Litteraire”. Miankina amin`ny fahaizan`ny traikefan`ny mpampianatra ny fanatontosana izany. Tsiahivina fa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin`ny 9 novambra 2018 ny "Journée Pédagogique" ho an’ireo mpanabe ao amin’ny

akany fibeazana any amin`ny faritra izay naharitra roa andro. Anton’ny fampiofanana azy ireo ny eo anivon`ny INFP (Institut National de la Formation Pedagogique). Ao anatin`ny fampiofanana ny andiany manaraka hofanina ho mpampianatra ny eo anivon`ny INFP ka haharitra roa taona izy io ary ahitana mpampianatra maherin`ny 1 500.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT