Fampianarana

Fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana Nanolotra « tablettes numériques» 10 051 ny OIF


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Hiara-kiasa akaiky ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny OIF amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tontosa omaly tao amin'ny biraon'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena,

 Marie Michelle SAHONDRARIMALALA ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo teo amin’ny roa tonta izay nosoloin'ny Minisitra tena sy ny "organisation internationale de la francophonie" na ny OIF nosoloin'ny ambasadaoro eto Madagasikara tena, Léonard-Emile OGNIMBA. "Tablettes numériques" miisa 1 050 no nentin'ny avy ao amin'ny OIF hanampiana ny "ezaka hataon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny fitondram-panjakana hanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana eto amin'ny firenena. Hita taratra ny fanomezan-danja ny ara-nomerika eny anivon'ny sekoly ka izany no anisan'ny nanomezana izao fanampiana izao", araka ny nambaran'ny ambasadaoron'i OIF. Nampiseho ny fahavononany hatrany kosa ny Minisitra hanohy izany ezaka izany satria "tsy mijanona amin'ny fanomezana fotsiny ihany ny fiaraha-miasa fa mbola misy ihany koa ny fijerena ny entina manatsara ny fomba fianarana teny frantsay izay teny iombonana amin'ny OIF anefa mbola hita ny lesoka eo amin’ny mpianatra. Izao fanaovan-tsonia izao dia milaza sahady ny fiaraha-miasa matotra amin'ny fanatsarana izany lesoka izany", hoy kosa ny Minisitra nanazava. Marihina moa fa hozaraina amin'ny mpianatra sy mpampianatra eny anivon'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy ireto "tablettes" vaovao ireto.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT