Fampianarana

Fanapariahana laza adina sandoka Mpampianatra 1 sy mpianatra 3 nidoboka am-ponja


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Nampidirina amponja vonjimaika ny sabotsy 17 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva ireo olona 4 voarohirohy ho nanaparitaka laza adina Bakalorea sandoka tany Antalaha, taorian’ny fiakarany fampanoavana.

 

 

 

 Ny iray tamin'izy ireo dia mpampianatra tantara sy jeografia ary ny 3 dia samy mpianatra hanala bakalorea avokoa. Nosamborina sy natolotra ny fampanoavana izy ireo taorian’ny fipariahana laza adina sandoka tamin'ny tambajotra “facebook”. Laza adina sandoka noforonin'izy ireo ihany, ka tamin'ny alalan'ny hafatra miafina na “MP” tao anatin'ny “groupe” antsoina hoe "Cours Tsikely Antalaha" no nanaparitahana azy. Taranja Malagasy, Philosophie, Histo-Géo ary Mathématiques no nanaovan'izy ireo laza adina sandoka nezahina naparitaka mba hanakorontanana ny mpianatra any Antalaha ka hilazana hoe misy fivoahana laza adina mialoha ny bakalorea, hoy ny fanazavana. Efa eo ampelatanan'ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ny raharaha ka mahazo matoky ny mpanala fanadinana ao Antalaha hiatrika am-pitoniana ny fanadinana, satria milamina tsy misy ahiahiana ny mety hisian'izany fivoahana laza adina mialoha izany, hoy ny fampanantenan’ny manam-pahefana. Fampidirana am-ponja vonjimaika no natao, fa ny 02 novambra ho avy izao no hiakatra fitsarana ireo olona 4 ireo. Hentitra ny mpitandro filaminana notarihin’ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra ny faran’ny herinandro teo, fa tsy helefitra amin’ny fanakorontanana, indrindra fa ny fanelezana resaka momba ny fipariahana laza adina mialohan’ny fotoana. Tsiahivina fa nikorontana ny bakalorea tamin’ny taon-dasa noho ny tandrametaky ny mpitondra. Hanomboka anio ny “Bakalorea 2020”, ka irariana mba handeha antsakany sy andavany, ary mirary soa ireo mpiadina manerana ny Nosy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT