Fanaovana tsinontsinona ny

kalitaon’ny fanabeazana


  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nampiaka-peo ny Sendikan’ireo niofana tao amin’ny INFP

Nilaza ho mahatsiaro manana adidy sy andraikitra manoloana ny fanavaozana tiana apetraka eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny SSIM na «Syndicat des sortants de l’INFP de Madagascar», izany hoe, ny sendikan’ireo mpampianatra sy mpanabe niofana teo anivon’ny INFP, ny sabotsy teo. Mibaribary loatra, hoy izy ireo, ny tsy fanomezana lanja ny fiofanana ara-pedagojika teo anivon’ny INFP na «Institut national de formation pédagogique», izany hoe ivotoeram-pirenena mampiofana amin’ny fanabeazana, izay hany tokana hananan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena manofana ny mpampianatra ho matihanina. Ny tsy fanomezan-danja izany dia adikan’ny SSIM avy hatrany ho fanaovana tsinontsinona ny kalitaon’ny fanabeazana. Ny sertifika efa nahazoana lanja na «équivalence» sokajy faha 4, izany hoe, «catégorie 4» dia tsy nekena rehefa noraisina ho mpiasam-panjakàna izy ireo fa navarina ho «catégorie 3» toy ny nahazo ny andiany 2021 sy 2023, izay nivoaka ny faran’ny taona 2025 teo ary nampanantenaina ho raisina anatin’ilay «poste budgétaire» na toerana andraisan-karama miisa 3100. Mikorontana koa ankehitriny ny rafi-pitantanam-panabeazana eo anivon’ny minisitera, indrindra, any amin’ny STD na «service technique déconcentré» na sampana tekinika itsinjaràna andraikitra satria raha misy ny fampiatoana DREN rehetra dia mbola misy hatramin’izao ny tsy voasolo ka mahatonga fikatsoana maro amin’ny fitantanan-draharaham-panjakàna. Tsy misy lamina maty paika koa entin’ny minisitera hanatanterahana ireo tetikasa maro entina hanatsaràna ny sehatry ny fanabeazana. Tsy misy vokatra azo tsapain-tanana. Takiana, noho izany, ny hametrahana olona matotra, manana fari-pahaizana sy fahaiza-manao, havanana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakàna ary mahay miara-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana, fa indrindra, ireo mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola. Tsy ekena intsony ny olona manao andrakandrana ny fitantanana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Dradradradrainay hatrany fa ny mpampianatra tsara ofana no mampiakatra ny kalitaon’ny fanabeazana, hoy hatrany izy ireo nampiaka-peo.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT