Fampianarana

Fananganana Oniversite ao Antalaha Miandry fankatoavan’ny fanjakana sisa


  • Alarobia 10 Jona 2020

Velirano fahaefatra ny fampianarana ary fanambin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ihany koa ny hanangana oniversite isam-paritra. Masa-bary maito kitoza ny fanjakana sy ny vahoaka an’Antalaha, hoy i Nasira Julien, solombavam-bahoaka voafidy tao Antalaha, Faritra SAVA.

 

 

 

 

 Nitondra fampahafantarana io olom-boafidy io fa nahita mpamatsy vola vahiny izy ireo, izay vonona hanao tan-tsoroka amin’ny fanorenana fotodrafitrasa manara-penitra ho an’ny oniversite miaraka amin’ny fampitaovana ara-teknôlôjia vaovao ao Antalaha. Efa nampahafantarina izay ny fahefana mpanatanteraka tamin’ny alalan’ny minisitry ny toekarena sy ny vola ary ny tetibola sy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy i Nasira Julien. Fankatoavana avy amin’ny fanjakana Malagasy sisa andrasana, hoy hatrany ity farany dia miditra amin’ny dingana manaraka ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola sy ny fanatanterahana ny asa, ary mety hiitatra amin’ny fanatsarana ny seranana any Antalaha sy ny famatsiana herinaratra mandeha amin’ny masoandro izany, ka hisitraka ihany koa ny Distrika sivy hafa. Manana loharanon-karena miavaka ihany koa i Antalaha izay malaza amin'ny lavanila.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT