Fampianarana

Fanamboarana sy fanavaozana Mandany 4.400.000 Ar isan-taona ny sekoly iray raha kely


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Herinandro vitsy sisa no isaina dia hiverina an-tsekoly ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny sekoly tsy miankina manerana ny Nosy.

Ireo tompona sekoly kosa eo an-daniny efa milona  tanteraka ao anatin’ny fikarakarana ny sekoly sy ny manodidina toy ny fanamboarana ny tokontany, ny fanoloana ny dabilio sImba, ny fandokoana ny atiny sy ivelan’ny trano ho an’ny sekoly tsy miankina La Prime etsy Anosibe. Raha ny fanazavan’ny talen-tsekoly Solonandriana Lanto dia mahatratra 4.400.000 Ar isan-taona ny vola lanin’izy ireo amin’ny fanamboarana sy fikarakarana ny sekoly rehefa ankatoky ny fidiran’ny mpianatra tahaka izao. Anisan’ny mandany ny fandokoana ny sekoly. Mahatratra 20.000 Ar isaky ny dabilio ihany koa ny vola lany entina hanamboarana ny simba ary 70.000 Ar ny iray vaovao. Efa miverina miatrika fiofanana eo anivon’ny sekoly  ireo mpampianatra miisa 60 ao amin’ny La Prime  taorian’ny fiofanana natrehiny tany ivelany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT