Fampianarana

Fanamboarana sy fanavaozana Mandany 4.400.000 Ar isan-taona ny sekoly iray raha kely


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Herinandro vitsy sisa no isaina dia hiverina an-tsekoly ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny sekoly tsy miankina manerana ny Nosy.

   Ireo tompona sekoly kosa eo an-daniny efa milona  tanteraka ao anatin’ny fikarakarana ny sekoly sy ny manodidina toy ny fanamboarana ny tokontany, ny fanoloana ny dabilio samba, ny fandokoana ny atiny sy ivelan’ny trano ho an’ny sekoly tsy miankina La Prime etsy Anosibe. Raha ny fanazavan’ny talen-tsekoly Solonandriana Lanto dia mahatratra 4.400.000 Ar isan-taona ny vola lanin’izy ireo amin’ny fanamboarana sy fikarakarana ny sekoly rehefa ankatoky ny fidiran’ny mpianatra tahaka izao. Anisan’ny mandany ny fandokoana ny sekoly. Mahatratra 20.000 Ar isaky ny dabilio ihany koa ny vola lany entina hanamboarana ny simba ary 70.000 Ar ny iray vaovao. Efa miverina miatrika fiofanana eo anivon’ny sekoly  ireo mpampianatra miisa 60 ao amin’ny La Prime  taorian’ny fiofanana natrehiny tany ivelany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT