Fampianarana

Fanakatonana sekoly koranika Tsy niteny izany aho, hoy ny minisitra


  • Alarobia 03 Mey 2017

Ao anatin’ireo sekoly miisa 150 tsy manara-dalàna hatreto ireo sekoly koranika 16 fa tsy 190 araka ny heno tamin’ireo vaovao tamin’ny herinandro raha ny fanazavan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Paul Rabary omaly.

 Tsy mbola nisy resaka fanakatonana koa fa ny fanomezana fe-potoana ihazakazahan’ireo sekoly ireo amin’ny ara-dalàna no nisy. Raha tsiahivina, nisy sekoly tsy nanara-dalàna 600 tamin’ny taon-dasa ary ny fanentanana natao hidirana amin’ny ara-dalàna no nampihena azy ho 190 sisa. Taorian’ilay raharaha La croyance moa dia nihena 150 indray izy izao. Fampiharana ny lalàna no natao, hoy izy, satria manana fahefana hanome sy hanaisotra alalana hisokatra ho an’ny sekoly na alalana hampianatra ho an’ny mpampianatra ny minisitera rehefa hita fa misy tsy ara-dalàna ao. Amin’ireo sekoly ireo, ohatra, dia misy nangataka alalana hanokatra kolejy nefa rehefa natao ny fitsirihana dia lasa misy hatramin’ny lisea. Ireto sekoly koranika ireto, ohatra, dia nahitana fa nisy fikasana hanao fampianarana foto-pinoana silamo tafahoatra tao kanefa tsy izany no alalana nomena azy. Nihaona tamin’ireto solontenan’ny silamo ireto tetsy amin’ny minisitera tetsy Ampefiloha moa ny minisitra omaly.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT