Fampianarana

Fanafoanana ny “subvention” Famonoana ny sekoly tsy miankina, hoy ny Katolika


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Nahitsy ny Vaomieran’ny eveka misahana ny fampianarana sy ny fanabeazana

 

 

katolika tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny dia ny Mompera Jules Ranaivoson omaly tao amin’ny onjam-peo iray, fa famonoana ny sekoly tsy miankina ny fanafoanana ny fanampiana na « subvention » ho azy ireny. Marihina fa isan’ny manana anjara toerana lehibe eto Madagasikara ny sekoly Katolika. Efa nahazatra ny Fanjakana nifandimby hatramin’izany ny fanampiana ny sekoly tsy miankina, saingy nofoanana izany ankehitriny.Tsy toy ny sehatra fitadiavam-bola rehetra ny fampianarana sy fanabeazana, fa sehatra iray hanasoavana ny taranaka. Heverina ihany koa fa isan’ny anjara biriky sy famantarana ny fampiharana ny voarakitry ny lalàmpanorenana amin’ny maha maimaimpoiana ny faabeazana ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana . «Zendana ihany ny tompon’andraikitra amin’ny fanafoanana azy. Ny hafatra avy amin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny fampianarana sy ny fanabeazana katolika, dia mia miteny amin-kitsim-po hoe: famonoana ankitsirano ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fanafoanana an’ireny fanampiana ireny satria efa nandray an’izany ireo mpisitraka azy », hoy i Mopera Jules Ranaivoson. Isan’ireo nofoanana ny « Subvention des enseingnements » na fanampiana ho an’ny mpampianatra, « Allegement des charges parentales » na ny fanamaivanana ny vesatry ny Ray aman-dReny, ny fampiodinan-draharaha ho an’ny « Direction nationale de l'enseignement privé »,… Ny fanampiana ho an’ny mpampianatra, ohatra, dia kely dia kely ilay 24 000Ar kanefa dia tena misy soatoavina ngezabe na lanjany lehibe ho an’ny mpampianatra. Indraindray izy ireo tsy tonga rehetra mamonjy zoma voalohany any ambanivohitra na eto Antananarivo. Rehefa anontaniana dia hoe sao dia votsotra ny “subvention” ny valin-teny amin’ny ankapobeny. Eo ilay fiaraha-miombon’antoky ny miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, ary sitrany ahay vaza mihetsika. Izany rehetra izany no hilazana hoe tsy dia mety loatra ny fanafoanana ny “subvention”, hoy hatrany I Mompera Jules Ranaivoson.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT