Fampianarana

Fanafoanana CEPE Hampitombo isa ireo mpianatra handao sekoly


  • Talata 02 Mey 2017

Mikorontana tanteraka ny sain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ny fanovana ny rafi-panabeazana eritreretin’ny mpitondra hatao eto Madagasikara.

 

 Mifamahofaho be ihany mantsy hatreto ny serasera havoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mazava ary tsy ara-potoana rahateo ny fanazavana mikasika ny fanatsarana tian’ny fanjakana foibe hapetraka, hoy ny avy amin’ny PACA (Plateforme des Associations Chargées d’Asama et de Post-Asama). Hokitihana, ohatra, ny alimanakan’ny taom-pianarana ka eo anelanelan’ny desambra hatramin’ny febroary no misy ny fialan-tsasatra lehibe. Antony ny fialàna amin’ny fotoam-pahavaratra sy ny maitso ahitra. Heno anefa ankehitriny fa hotazonina indray ny rafitra taloha. Mandeha koa ny resaka fa hofoanana ny fanadinana CEPE (Certificat d’Etudes Primaires Elementaires). Anisan’ny mandrisika ny mpianatra hiditra an-tsekoly ny fahazoana io diplaoma io na tsy mahasakana ny taham-pitsoahana an-dakilasy ambony ao amin’ny taona faha-3 sy taona faha-4 aza. Tsy hitondra vokatsoa ho an’ny maro an’isa mantsy ny misondrotra kilasy satria ny manam-bola hatrany no tafiditra mpiasam-panjakana sy afaka hanaraka fiofanana arak’asa, araka ny fanamarihan’ity vovonan’ny fikambanana mpisehatra ny ASAMA (Asa Sekoly Avotra Malagasy) ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT