Fampianarana

Fanadinan’ny CNTEMAD 75% ny taham-pandraisana anjara


  • Zoma 22 Septambra 2017

Hifarana anio zoma manerana ny Nosy rehefa naharitra dimy andro ny fanadinana enim-bolana faharoa tanterahin’ireo mpianatry ny sekoly ambony CNTEMAD manerana ny Nosy.

 

 Nilamina ny fizotry ny fanadinana tamin’ny ankapobeny raha araka ny fanazavan’Andrianambinina Djohary, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity sekolim-panjakana iray ity. Foibem-panadinana miisa 41 no mandray ireo mpianatra miisa 17.700 nisoratra anarana ka anisan’ireny ireo mpiadina any  Antsiranana sy Tolagnaro. Na izany aza anefa hoy izy dia nisy ihany ny indro kely. Manodidina ny 70 hatramin’ny 75 % mantsy ny taham-pandraisan’anjaran’ireo mpianatra izay nihena raha oharina tamin’ny teo aloha noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny tamin’ny fandoavana ny vola hahafahana miatrika ny fanadinana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT