Fampianarana

Fanadinana EPS bakalorea Alaina eny amin’ny “centre” ny “convocation ho an’ny sokajy A2


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Hanomboka ny sabotsy 27 mey ho avy izao ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea ho an’ny DREN Analamanga ka ny taranja lomano no hisantarana azy.

 Ny alatsinainy 29 mey kosa no hanomboka ny fampiharana ara-batana,  fotoana izay efa antomotra ihany, antony hiantsoana ny mpiadina mba haka ny taratasim-panadinana eny anivon’ny foiben-toerana miadidy azy, indrindra ho an’ny sokajy A2. Ho an’ny sokajy A1, sokajy C ary sokajyA2 avy eny Itaosy sy Ampitatafika, ohatra, dia ny Centre Faravohitra no miadidy azy ireo ary eny amin’ny ANS Ampefiloha no hiatrika ny adina ara-panatanjahantena ny 12 jona ho avy izao. Ho an’ny sokajy A2 Analamanga kosa dia eny Andohalo ny centre miadidy azy ireo ka eny Mahamasina no hanaovana ny adina ara-panatanjahantena ny 29 mey ho avy izao, fotoana izay efa tena antomotra tokoa. Ny LTC Ampefiloha kosa no centre miadidy ireo sokajy A2 avy any Sabotsy Namehana sy Andoharanofotsy ka eny amin’ny kianjan’Alarobia izy ireo  no hiatrika ny adina ny 12 jona ho avy izao. Nomarihin-dRavoahangy Manantsoa Pierrot, mpandrindra ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea eto amin’ny Faritra Analamanga fa ho an’ireo tsy dia maika dia alefany eny amin’ny paositra ihany ny taratasy fiantsoana izay tsy maintsy miaraka amin’ny kara-panondro, mandritra ny fotoana hiatrehan’ny mpiadina ny adina. Miisa 14.550 izy ireo manerana ny DREN efatra eto Antananarivo ka ny 1.560 amin’izy ireo no fantatra  hatreto fa tsy afaka ny hiatrika izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT